Presentation Plan Stratégique 2025–2029

🤝NOTANTERAHINA TETO ANTSIRANANA androany ny fanazavana ho an’ireo solontenan’ny Plateforme LEADER DU SAMBIRANO momba ny Plan Stratégique 2025–2029 izay hoentin’ny COGEBS mitantana sy miaro ny Paysage Sambirano.
🎯 Tanjona: Hampahafantarina ny paikady ho amin’ny fitantanana maharitra sy fandraisana anjara feno avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka sy zanaky ny faritra.
🙏 Nisaotra manokana an’ny COGEBS ireo solontena tamin’ireo ezaka efa vita, sady namporisika ny hitohizan’ny ezaka ho amin’ny faharetan’ny Sambirano.
🤝 Naneho fahavononana hifanome tanana sy hifanampy hatrany ireo mpikambana, ary tapaka fa hatao ao Ambanja amin’ny fotoana maha mety azy ny Fihaonam-be nasionaly sy iraisam-pirenena ho an’ny Leader zanaka Sambirano rehetra na koa atsika Zanaka Sambirano jiaby vonona hifanome tanana amin’ny fampandrosoana ny tananatsika !
💚 Firaisankina no hery, ho an’ny fampandrosoana maharitra ny tanindrazantsika Sambirano.
➡️ COGEBS dia manokatra hatrany ny varavarana ho an’ny rehetra vonona hiara-hiasa sy hanome anjara biriky!

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *