HIARO NY SISINDRANON’NY SAMBIRANO ISIKA REHETRA !
…………………………………………………..
Mitohy hatrany ny ezaka fiarovana ny sisin-drano ao Sambirano !
Mandray anjara mavitrika ny Fokontany Antsamala miaraka amin’ny COSAMA, ary mihamaro hatrany ireo mponina vonona hiaro ny zava-bita.
« Vonona izahay hanohy ny fanentanana, indrindra ho an’ireo mbola tsy mahafantatra ny maha zava-dehibe ny fiarovana ny sisin-drano. »
Noho izany, hovelomina maso indray ny :
• ELS (Équipe Locale de Secours), sy
• SLC (Structure Locale de Concertation)
mba hiara-hiasa amin’ny fanatanterahana sy fampiharana ny DINA sy ny fitsipi-piarahamonina.
Tsy hijanona isika raha tsy tratra ny tanjona napetraka any amin’ny taona 2029 !
