HIARO NY SISINDRANON’NY SAMBIRANO ISIKA REHETRA !

HIARO NY SISINDRANON’NY SAMBIRANO ISIKA REHETRA !
…………………………………………………..
Mitohy hatrany ny ezaka fiarovana ny sisin-drano ao Sambirano !
Mandray anjara mavitrika ny Fokontany Antsamala miaraka amin’ny COSAMA, ary mihamaro hatrany ireo mponina vonona hiaro ny zava-bita.
✅ Vokatry ny fanentanana iarahan’ny COGEBS, COSAMA, HELVETAS, AJACSEE sy ireo mpiara-miombon’antoka :
↘️ Mitombo isa ny mpandray anjara
↘️ Hita ny fahavononana amin’ny fiarovana sy fikojakojana
🗣️ Hoy ny tanora ao Antsamala :
« Vonona izahay hanohy ny fanentanana, indrindra ho an’ireo mbola tsy mahafantatra ny maha zava-dehibe ny fiarovana ny sisin-drano. »
🎯 Ilaina dia ilaina ny fambolena BARARATA fa ny tena zava-dehibe dia ny fiarovana sy fanamafisana ny zava-bita.
Noho izany, hovelomina maso indray ny :
• ELS (Équipe Locale de Secours), sy
• SLC (Structure Locale de Concertation)
mba hiara-hiasa amin’ny fanatanterahana sy fampiharana ny DINA sy ny fitsipi-piarahamonina.
📆 Misaotra an’ireo rehetra mandray anjara!
Tsy hijanona isika raha tsy tratra ny tanjona napetraka any amin’ny taona 2029 !
👉 Izay miaro ny sisin-drano dia manavotra aina.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *